Dina Fidinarivo

Dina Fidinarivo

Partager

#santé
#partage
#conseils
#humour
#fahasalamana
#fizarana
#fifaliana
#cheveux#curly#bouclé

08/26/2026

Noentiko nanao sortie kely izay ny ankizy, izy 4 zandriny. Rehefa natao ny fisaorana d hoy I RaFinaritra:
« Misaotra Jesoa a fa manana vola d manana fotoana afaka manao an’izao vacances izao. D Misaotra koa fa manana énergie… »
Tellement reconnaissant! 🥹

Photos from Dina Fidinarivo's post 08/16/2026

Miresaka miaraka @ cousin eo ry tovolahy tato .
Lohahevitra resahin-dry zareo? « Manga » 🤦🏽‍♀️
Za: c’est à mon tour d’être parent… « parent Dépassé » Hàzalah 🤣🤣🤣
(Tsy misy azoko mihintsy)

Photos from Dina Fidinarivo's post 08/13/2026

Dongy be tato io maraina io fa tiany hatao hoatran’ny an’i Aubelix hono ny volony…
Hazalah!!! 🤦🏽‍♀️
Efa niezaka ihany aho e!!! 😆🤣

10/31/2025

Rendez grâces en toutes choses, car c’est à votre égard la volonté de Dieu en Jésus-Christ.
Thessaloniciens 5:18

09/07/2025

E KOA HAGNAIKY VA MOA TSA HAGNAIKY???

08/22/2025

Sambatra kokoa ny mpifankatia mampihatra ireto zavatra 5 ireto raha araka ny fanadihadiana nataon’i Mark Travers, psychologue:

Tsotra nefa hitondra fiovana be dia be eo @ mpifankatia indrindra ny mpivady, izay toa manadinodino fa mila kolokoloina hatrany ny fifankatiavan’izy roa na efa ao antokatrano ary, ny fampiharana izany. Mazàna manko rehefa mifangaro ny asa, ny ankizy ary ny raharaha an-trano, dia toa sarotra ny mitady fotoana hiaraha amin'ny olontiana. Raha manana ireto fahazarana na hoe rituels kely ireto ny mpifankatia izany dia hahatsiaro sambatra kokoa.

1. Manomboka ny tontolo andro miaraka (na dia 5 minitra fotsiny ary)
Afaka atao ohatra io @ fiarahana fandaminana ny fandriana rehefa mihofa, manao ny café maraina.
2. Mahatsiaro ny iray mandritra ny tontolo andro :
@ alalan’ny message na appel kely toy ny hoe: mahatsiaro anao aho, na mandefa sary na fo na zavatra mety hoe nampiomehy na nahafaly anareo 2.
3. Maka fotoana hitokanana kely alohan'ny hihaonana rehefa avy miasa:
Hanalavirana ny asa sy ny zavatra mety hoe nandreraka na nahasosotra tany @ asa tany. Afaka atao io na ao anaty bus, na mitondra fiara na hoe mandeha tongotra kely rehefa avy miasa io.
4. Manokana fotoana ho anareo roa: "fotoanantsika"
Afaka atao io ohatra @ fiarahana misakafo, tsy misy finday, mety misy koa hoe zavatra tianareo 2 hiarahana atao kely @ hariva.
5. Mifampihaino harivariva
Fanontaniana alohan’ny hatoriana hoe: manahoana ianao? Inona ny zavatra tena nahafinaritra anao androany? Misy zavatra mety hoe tsy dia nahafinaritra anao androany? Misaotra t@ ilay message nalefanao t@ atoandro iny…

Tsy mandany fotoana ela ireo kanefa mety hampiova be ny fifandraisanao @ olontianao. Andramo, na dia manomboka @ iray fotsiny ary aloha. Dia zarao @ izay mety hila azy!

Mirary soa indray ary!

08/18/2025
08/17/2025

📖 Matio 5 :13

08/11/2025

🩷 karakarak ny tenanao: nahoana ary ahoana no hanaovana fizahana nono!
Ny homamiadan'ny nono no homamiana voalohany mety hitarika fahafatesana any @ vehivavy .
Ny vaovao tsara: raha hita aloha ny homamiadan’ny nono dia mbola azo tsaboina tsara. Izany no maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso sy ny fitiliana.
Taham-pahavelomana araka ny stade (pronostic) ohatra raha any Canada:
- stade I ≈ 100% ny tahan’ny fahavelomana ao natin’ny 5 taona ,
- stade II ≈ 92%,
- stade III ≈ 74%,
- stade IV ≈ 23%.
• Ny homamiadana hita amin'ny fizahàna dia matetika eo amin'ny dingana voalohany (stade 0 na I), ary ireo homamiadana ireo dia manana taham-pahasitranana sy fahavelomana avo kokoa.
Inona no azonao hatao - torolalana tsotra
1. Fizahana ny tena isam-bolana (herinandro eo ho eo aorian'ny fadimbolanao)
2. Fizahana any @ mpitsabo: manatona mpitsabo raha mahatsikaritra fiovana @ nono ianao
Ireo fambara tokony hojerena (mila anantonana toeram- -pitsaboana haingana raha misy)
• Fahitana fivontosana vaovao na fivontosana mitombo
• Fiovana hita maso eo amin'ny hodi-tava eo @ nono
• Fivoahana tsiranoka tsy mahazatra ny nono (afa-tsy ny rononon-dreny)
• Tsy fitovizan’ny haben’ny nono vaovao na fanaintainana eo an-toerana maharitra

08/06/2025

Izao miara-azo ny fandriana mafana sy ny valala manatody!!! 😆

Vous voulez que votre entreprise soit en tête de la catégorie Salon De Beauté à Laval ?
Cliquez ici pour obtenir votre annonce sponsorisée.

Site Web

Adresse

Laval, QC

Notifications

Soyez le premier à savoir et laissez-nous vous envoyer un courriel lorsque Dina Fidinarivo publie des nouvelles et des promotions. Votre adresse e-mail ne sera pas utilisée à d'autres fins, et vous pouvez vous désabonner à tout moment.

S’abonner

Nous vous informerons de toute nouveauté à Laval.