Angom-BAOVAO
Journaliste 📻📺
Vidéaste 🎬📹
27/05/2026
RIDE RIVER 3x3: Navitrika ny Tanoran'ny Maevatanana
👉Tontosa ny 22 sy ny 23 Mai 2026 tao amin'ny kianjaben'ny la place Maevatanana ny fifaninana basketball " ride river 3x3 "izay nandraisan'ireo ekipa anjara avy amin'ny sokajy samihafa toy n'y sokajy ELITE na SENIOR izay misy an'ireo ekipa nasionaly, misy ihany koa ny sokajy U23,latsaky ny 23 taona lahy sy vavy ary ny sokajy U17 lahy sy vavy.
🔥Miavaka kely ny fifaninana ho an'ny teto amin'ny faritra betsiboka,araka ny nambaran'ny filohan'ny federasiona basket-ball Jean Michel RAMAROSON noho ny fisian'ny fandaharan'asa FIBA izay sokajy iray amin'ny Senior Hommes ka afaka mandefa ekipa anakiray makany La Réunion manao fifaninana, izay atao hoe CHALLENGER.Ao anatin'ny fandaharan'asan'ny FIBA ihany koa ny fifantenana amin'ireo sokajy U23 sy U17 handrafitra ny ekipam-pirenena amin'ny volana Jolay hanao fifaninana Nations- ligue any ivelany.
🔴Tanjon'ity fifaninana ity hoy ny filohan'ny ligim-paritra betsiboka Andriamatoa Gerald dia n'y mba hitovian'ireo Tanora eto amin'ny faritra ho sangany tahaka an'ireo AKOAY.Nisy ihany koa ny fanolorana cerceau ho an'ny Tanora eto Maevatanana izay natolotry ny filohan'ny federasion'ny basketball.
👉Nandritra ny fizotran'ny lalao dia nifandimby nifandona ireo ekipa isan-tsokajiny ka tafavoaka nahazo ny amboara makany La Réunion ny ANKOAY2 lehilahy izay tao anatin'ny sokajy ELITE.Nisy ihany koa ny fanomezana nomena an'ireo ekipa isan-tsokajiny nahazo ny amboara.
👉Marihina fa isan-taona dia misy ny fifaninana "ride river 3x3 " ka fanindroany amin'izao no nandraisan'ny faritra Betsiboka azy Ary nahasarika tanora sy mpankafy baskety maro teto Maevatanana ity hetsika ara-panatanjahantena ity, Manaporofo indray ny firoboroboan’ny taranja baskety eto an-toerana.
©️Eodia Raherinantenaina
23/05/2026
Maevatanana : An'arivony ireo olona hisitraka ny "titre foncier" faobe
Tonga nanatanteraka ny "Operation de Domaniale concertée" ODOC teto Maevatanana n'y 22 Mai 2026 ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy n'y fanajariana ny tany ny General de Division Lylson René de Rolland niaraka tamin'ireo mpikambana sasany eo anivon'ny antenimierampirenena sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.Ity Hetsika ity dia natao hizarana ny "titre foncier" faobe.
Araka ny nambaran'ny minisitra dia an'arivony ireo olona hisitraka an'izany titre faobe izany ato anatin'ny kaominina Maevatanana ka mponina miisa 260 no nozaraina ny bokin-tany nandritra ny fotoana ary hitohy any amin'ny kaominina Mahatsinjo sy n'y faritra Betsiboka rehetra izany.
Antony hoy izy ny handrindrana ny raharahan-tany sy fanomezana tany ho an'ny malagasy Ary ho fandrindrana n'y tanàna.
Hamoraina ihany koa ny fahafahana manoratra tany ka 20ariary n'y iray metatra toradroa Raha toa ka efa misy trano miorina,Raha tany fotsiny ihany kosa dia 5ariary ny iray metatra toradroa.Ho atao peta-drindrina manerana an'i Madagasikara io sarany io ary tsy misy vola aloa mihoatra an'io rehefa manao fidinana ireo mpiasan'ny fananantany.
Nohamafisiny fa efa manao ezaka ny fitondrana fanavaozana hirosoana amin'ny fandaminana ny raharahan-tany eto Madagasikara ary efa hita taratra daholo ireo paikady atao amin'izany .Hinoana hoy izy n'y hisian'ny filaminana mandrapahatongan'ny farany taona.
©️ Eodia Raherinantenaina
21/05/2026
Lozam-pifamoivoizana teo amin’ny Bajaj sy kodiaran-droa teo amin’ny rond-point akaikin’ny Région, androany faha 21 Mai 2026. Raha ny vaovao voaray teny an-toerana dia voalaza fa ahiana ho mamo ilay mpamily Bajaj.
Efa nentina eny amin’ny tobim-pahasalamana kosa ireo olona naratra vokatry ny loza.
©️ Eodia Raherinantenaina
19/05/2026
DRETFP Betsiboka : Fandraisana ho mpiasam-panjakana lavitry ny kolikoly.
Mpampianatra ,mpampiofana vonjimaika roa eo anivon'ny DRETFP eto Betsiboka no voaray ho mpiasam-panjakana ampahibemaso ny 18 Mai 2026 izay notontosaina tao amin'ny trano fivorian'ny prefektiora.
-Am-pilaminana no nanatanterahana izany niaraka tamin'ireo solotenan'ny mpiasam-panjakana teto an-toerana sy ireo iraka manokan'ny ministera.
-Tanjona amin'izao hetsika izao ny hampisy mangarahara eo amin'ny fandraisana mpiasam-panjakana sy ny hanafoanana ny kolikoly. Ary izany indrindra no nanaovana azy ampahibemaso.
-Ny fepetra notakiana tamin'izany dia ireo efa niasa tranainy sy ny fananany fanendrena ara-dalàna hampianatra amin'ny toerana anakiray, nojerena ihany koa ny diplaoma ananana ,ny taona Ary ny isan'ny ora sy ny taranja ampianarina ka ny roa tamin'ireo kandidà miisa enina no nahafeno ny fitambaran'ireo fepetra ireo.
Naneho fankasitrahana ny ministera tamin'izao hetsika izao ny talen'ny fampihofanana arak'asa eto Betsiboka ,Andriamatoa Dimby RANAIVO.Irariana hoy izy ny hisian'ny fanatsarana ary antenaina fa ho maromaro ireo mpampianatra sy mpampihofana ho voaray amin'ny manaraka.
©️ Eodia Raherinantenaina
18/05/2026
🚨📍𝗭𝗮𝘇𝗮𝗹𝗮𝗵𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 #𝗻𝗼𝘁𝗮𝗽𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 #𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆 . Novonoina tamin'ny fomba feno habibiana izy ary lasan’ireo dahalo ny lohany. Tao amin’ny fokontany , kaominina , distrikan’i , omaly, ity tranga nahazo ny zazalahy varira iray vao 13 taona monja ity.
📛Araka ny loharanom-baovao, lehilahy miisa 4 nirongo zava-maranitra no niditra an-keriny tao an-trano. Lasa nentin’izy ireo ihany koa ny lohan’ilay zaza. Fantatra fa avy any ity zazalahy ity, ary nentina tao Marovoay noho ny antony fiarovana azy.
© Fenitra Ramamonjisoa Artinef
🐊Voay hita tany amin'ny Lalan'i Bevoay Sud, nibahan-dalana tamin'ny andro antoandro.
Noheverin'ireo mpaka sary fa natory 😁.
📹Chris Morondavieno
15/05/2026
🛑𝗩𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 𝗺𝗮𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮
𝗠𝗗 𝗲𝗻𝘆 𝘁𝘀𝗶𝗮𝗳𝗮𝗵y 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗮 𝗶 𝗜𝘃𝗲𝘀
✅Lasa ihany koa i Yves Maurice RAKOTONIAINA secrétaire général Tourisme Téo amin'ny fitondrana teo aloha
✅ MD eny Tsiafahy ihany koa raha ny Vaovao voaray hatrany
(Roddy Jupiter)
15/05/2026
🟢𝗭𝗔𝗭𝗔𝗞𝗘𝗟𝗬 𝗠𝗔𝗧𝗬 𝗩𝗢𝗞𝗔𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗘𝗡𝗬 𝗜𝗧𝗔𝗢𝗦𝗬
Zaza kely manodidina ny 1 taona sy tapany no namoy ny ainy nandritra ny fitohanana be teo amin’ny tetezana Itaosy.
💔 Narary ilay zaza ka nentin-dreniny taxi-moto hamonjy hopitaly, saingy voasakan'ny embouteillage lavareny teny an-toerana izy ireo. Tsy afaka nihetsika intsony na ny moto aza, raha ilay reniny kosa nitomany sy niantso vonjy teny ambony moto, namihina ny zanany efa mangovitra. 😢
👉 Niafara tamin’ny fiverenana an-trano nitrotro ny vatana mangatsiakan-janany ilay renim-pianakaviana…🥺
tsetratsetra tsy aritra
15/05/2026
VPAN Mahajanga Afakandro Christian : Fihaonana tamin’ireo Ben’ny tanàna ato anatin’ny Distrikan’i Maevatanana
👉Nisy ny fivoriana mikato-trano notarihin’ny VPAN Mahajanga, Afakandro Christian, niaraka tamin’ireo Ben’ny tanàna ato anatin’ny Distrikan’i Maevatanana, ny 15 Mey 2026.
🔴Araka ny fanazavan’ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena, ilaina ny fifanatonana mivantana sy fifampihainoana eo amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony, mba hahafahana mampita tsara eny amin’ireo ambaratonga ambony ny hetahetan’ny kaominina tsirairay. Tanjona ihany koa ny hitondrana izany eny anivon’ny Governemanta sy mandritra ny fandinihana ny LFR.
🔴 Anisan’ireo lohahevitra noresahina nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny halatr’omby sy ny fivezivezen’ireo olon-dratsy amin’izao vanim-potoana main-tany izao. Araka ny nambarany dia tsy any amin’ny Faritra Boeny ihany no ahitana izany fa efa mahakasika betsaka an’i Betsiboka ihany koa.
Nambarany fa hisy ny fihaonana manokana miaraka amin’ny OMC sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mba hamantarana ny tena olana misy sy hitadiavana vahaolana maika.
🔴 Notsindriany ihany koa fa tafiditra tao anatin’ny dinika ny resaka fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ireo olana ateraky ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitrandraka sasany. Nomarihiny fa ilaina ny fanamboarana foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina eny amin’ireo toerana hitrandrahana.
👉 Fanomanana ny fidinana fitetezam-paritra
ataon’ny VPAN manerana ny Faritanin’i Mahajanga ity fihaonana ity ka teto Maevatanana no fanombohana, ary aorian’izay dia hitsidika ireo distrika roa hafa ato anatin’ny Faritra Betsiboka izy.
©️ Eodia Raherinantenaina
14/05/2026
Fiaraha-miasan’ny SAFAMA sy ny DREN ary DREDD Betsiboka : Hampiroboroboina ny fanabeazana momba ny fahadiovana eny an-tsekoly
Notanterahina tao amin’ny foiben’ny DREN Betsiboka eto Maevatanana ny 13 Mai 2026 n'y fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny SAFAMA sy ny DREDD Betsiboka ary ny DREN Betsiboka, ho fanatanterahana ny tetikasa “SAFAMA Sekolinay Madio”.
👉 Tanjona amin’ity fiaraha-miasa ity ny hampidirana ara-dalàna ny fandraisan’anjaran’ny SAFAMA eny anivon’ny sekoly amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fanentanana momba ny fahadiovana.
Araka ny nambaran’ny filohan’ny SAFAMA RAZAFINDRAIBE Brillante De l'Argine nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety dia mikendry indrindra ny hampisy fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny fako sy ny fanovana toe-tsaina eo amin’ny ankizy ny tetikasa. Nambarany fa mbola tsy ampy ny fanabeazana momba ny fitandroana ny fahadiovana ka antony anaovan’ny SAFAMA fampahafantarana sy fanentanana eny anivon’ny sekoly.
📌 Efa nanomboka tamin’ny volana febroary ny fisoratana anarana tamin’ny fifaninanana “Sekolinay Madio”, ka sekoly miisa valo no nandray anjara teto Betsiboka. Tombanana amin’izany ny fahadiovan’ny efitrano fianarana, ny tokotanin-tsekoly, ny toeram-pivoahana, ny fanariana fako, ny fanaovana recyclage ary ny reboisement sy jardinage. Hisy loka homena ireo sekoly mendrika indrindra mandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny tontolo iainana
Nambaran’ny talen’ny DREDD Betsiboka fa ilaina ny fanabeazana ny ankizy dieny mbola kely amin’ny fiarovana ny tontolo iainana mba hahatonga azy ireo hanana fahatsiarovan-tena amin’ny fahadiovana sy ny fambolen-kazo.
Ho an’ny talen’ny DREN Betsiboka kosa dia tokony ho modely amin’ny fahadiovana ny mpanabe, ary nankasitrahany ny SAFAMA amin’ny fanentanana ataony eny anivon’ny sekoly momba ny tontolo iainana.
👉 Marihina fa niorina ara-dalàna tamin’ny taona 2018 ny SAFAMA ary manana mpikambana miisa 32. Efa manana sampana any Tsararano sy Tsaratanana ihany koa izy ireo ary mikasa hanaparitaka ny fikambanana manerana ireo distrika telo eto Betsiboka.
Sa.fa.ma
©️ Eodia Raherinantenaina
Click here to claim your Sponsored Listing.
