Ambinintsoa
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ambinintsoa, Health/Beauty, Antsirabe.
25/02/2025
NY VOLO SY NY FIAINANY 💆♀️
❗❗❗Fantatrareo ve hoe miaina 3 hatramin'ny 6 taona eo ny singambolo iray? eo eo hoy aho satria mety hihotra mety ho latsaka.
Mitsiry izy, Mihalava, mijanona ny faniriny dia maty izy avy eo ary mihintsana.
Ao anatin'ny iray andro dia misy volo 50 eoeo isanandro maty sy mihintsana satria tapitra izany ny fiainany ary efa misy solony vaovao maniry ao ambany ao amin'ny fakany ao.
⏩ isany ??
Amin'ny zaza vao teraka izy dia misy follicules pileux 1000 isa/cm2 Ary mihena arakaraka ny maha lehibe ny olona iray. 500 follicules pileux /cm2 eo am faha 30 hatramin'ny 50taona.
⏩Ny karazany?
Lisse ( malama) frisés ( olioly) crêpu ( ngita)
Arakaraka ny karazo ( genes) sy fiavina ny karazambolo. Afaka ovaovaina kosa anefa izy io amin'ny alalan'ny produits sy ny fitaovana ampiasaina vokatry ny fandrosoana.
⏩Ny hateviny sy ny faniriny?
ny volo ihany koa dia misy hoe matevina ( gros) manify( fins ) ary antonony ( moyens) singambolo no resahako eto . Miova arakaraka ny facteurs génétiques io, arakaraka ny taona sy ny fiavina ihany ko.
Dia mbola sahala an'izay ihany koa ny fitombony. Misy efa karazon'olona mora maniry be ny volony, misy ny mifanohitra amin'izay.
Fa raha atao amin'ny ankapobeny dia maniry 1,25 cm par mois eo eo izy. Misy anefa mahazo mihoatra an'io ary misy ny latsaka.
Volo salama tsara koa eto no resaka satria raha volo vakivaky na simba sy tsy ampy sakafo dia tsy ho hita mihitsy ny fitombony 😉
Izany hoe raha tsara karakara sy salama tsara ny hodidoha sy ny volo dia mahazo 12cm isantaona eo izany ianao.
Ao izay 😅
❤
📸google
22/02/2025
VOLO vakivaky tohiny
Inona ary no tokony atao ?
Fantaro aloha fa rehefa vaky ny volo dia tsy hisy zavatra azo atao hampiverina azy amin'ny laoniny izany intsony ❗❗
ENY misy ny produits ( matetika "à base d'acide hyaluronique ) mi-rafraîchir sy manome hydratation ilay lohambolo fa kosa ilay vaky tsy afaka.
⏩ dikan'izay tapahana ihany no fanafodiny. Ny tena tsara indrindra hanasorana kely indray mandeha isan-telo volana izy dia manao soin tsara hisorohana ny vakivaky .
⏩Misakafo ara-dalana sy ara-pahasalamana mba tsy hisian'ny tsy fahampiana sy tsy fanjarian-tsakafo
⏩Raha tsy maintsy hampiasa appareils chauffant dia aleo manisy spray thermo-protecteur mba hampiena ny fahamaizan'ny volo.
⏩Misotro rano ara-dalàna 1 hatramin'ny 2litres isan'andro .
⏩ Soins mifanaraka amin'ny volonao ampiasaina ( manaova diagnostique any amin'ny coiffeuse nareo)
Rary soa eee 😉
20/02/2025
VOLO MAINA- VASOKA- TAPATAPAKA SY TSY MANIRY ❗❗❗
⏩Inona no antony??
Misy antony ivelany sy anatiny ( facteurs internes et externes) ny mahavakivaky ny volo.
1-Antony ivelany
-- Fomba fibangoana volo mafy loatra sy matetika loatra.
- Pollution ( loto avy amin'ny rivotra sns ety ivelany)
- Mitovy amin'ny hoditra ihany koa dia marefo sy tsy mahazaka rayon ultra-violet ny volo ( masoandro be iny )
-Fanasana loha matetika sy fampiasana produits mahery loatra amin'ny volo, izay mety hitarika fahasimban'ny kiram-bolo ( cuticule.
-Frisure matetika loatra ( eny tompoko manimba ity rehefa tsy manaradalana ny soin)
-Fampiasana appareil chauffant be loatra ( fer à lisser, séchoir mahamay ( brushing)
-Produits chimiques be loatra ( coloration avy eo nefa tsy manao soin, produits tsy mifanaraka amin'ny karazam-bolo, ....)
2- Antony avy any anaty
- Ireo tsy fahampiana sy tsy fahatomombanana amin'ny fahasalaman'ny taova any anaty dia mety ho hita eo amin'io volontsika io
!! Tsy fahampian-tsakafo ( mal nutrition, mauvaise alimentation ohatra tsy fahampiana Zinc, magnésium, vitamines, fer...) mety ho volo vasoka sy vakivaky ary tapatapaka no vokany, mety ho volo miongotra.
!! Déshydratation ( tsy fahampiandrano) mazava ho azy tsy ampy rano ny vatana dia maina ny volo, marefo ary vakivaky dia tapaka no hiafarany.
Ao zay fa rahampitso omeko ny tokony atao 😉
📸 nangalarina tao amin'ny google 😂
20/02/2025
Elabe aho tsy nizara, elabe koa tsy niresaka momba ny asako tato noho ny antony be dia be .
Naka bahana sady nandinika ny atao sns 😂 ( efa olondehibe eee) .. Dia ito indray aho fa tafaverina . Hifampizara eto isika ( tsy miivoana amin'ny fikarakarana taovolo an, satria io aloha no hay io no nofehezina ( tsy mbola tonga lafatra fa manatsara sy mbola miezaka mianatra izay tsy hay isanandro isanandro ) dia io no hifampizaratsika eto )
Dia andao ary, ataovy anaty commentaire izay tinareo zaraiko ( fikarakarana, te hanalava, aretin'ny volo sy ny hodidoha .....)
Efa mandray commande shampoing solide ihany koa aho an, efa niverina izahay dia hisy foana amin'izay 😉
19/02/2024
Fa nga mifidy andro izany fa na avy be ary ny erika ny kiositrositra tsy maintsy atao moa le ankizy ooo !! 😂😂 🥰
Bonne semaine ee♥️
Mahombiaza daholo 😘
17/02/2024
Coloration et brushing par Ambinintsoa 😋
Io indray aloha no vita androany 🥰
Merci à la cliente 😘
Seulement sur rendez-vous et service à domicile hatrany aloha hatreto.
Bonne fin de semaine oo 😘
13/02/2024
Rehefa hitanareo rahampitso ilay anjaram-pitiavanareo dia raiketo ny date fiançailles, mariage civil, hatramin'ny any ampiangonana rehetra iny.
Avy eo antsoy aho 📞0344171971 ny numero ako dia hataoko ny pack fahamanjana 😂😜
hihi aza adino fa mandray rendez-vous foana aho izao ann aza tara 😉
Bisouss 😘
06/02/2024
eeeoooo 😉
Fa kely nge sisa dia saint valentin eee 🥰
Haingana manao manjakely ❤️
Karakarao aloha ny volo, ny hoho hatramin'ny tarehy rehetra iny 😘
📱📱034 41 719 71
05/02/2024
Any ve hono ry reto ?? 🤣🤣🤣
tsy haiko aloha izay fahitanareo azy bonne nuit eee 😘
05/02/2024
Heyy 👋👋
Herinandro vaovao dia tanjona vaovao ihany koa 🥰
Rary soa be dia be oooo ❤️
Oroka mamy 😘😉
03/02/2024
I Repousse sy anti-chutte 😉
Ny tena ankafizinareo hatreto sady be mpisafidy indrindra 🥰🥰 ( Isaorako anareo nanome retour fa motivation be hanohizako azy ireny)
à base de gingembre et ail 🧄🧄
voka-tsoa entiny ary eee
⏭️ Iray amin'ireo akora mandaitra haingana indrindra ho an'ny fitombon'ny volo ny sakamalaho. Manampy amin'ny fikorinan'ny rà ao amin'ny hodidoha izy no manome aina ny foto-bolo, ao tsinona no antoky ny faniriny.
Anti-inflammatoire ho an'ny hodidoha ihany koa ny sakamalaho ( miaro amin'ny dermatite séborrhéique, psoriasis. Aretin'ny hodidoha izany fa manao recherche kely ry abonnée malala oo 😉) ka mahatonga ny volo tsy afaka mitombo ara-dalana.
Dia toy izay ihany koa no asan'ilay tongolo gasy.
⏭️ Manampy amin'ny fanirin'ny volo
⏭️ Anti- inflammatoire ao amin'ny hodidoha ka tsy hampaniry azy ara-dalana.
Ary indrindra izy manakarena souffre izay akora tena miantoka ny fanirin'ny volotsika 🥰🥰
Ity 7000ar ny 90g .
Izay aloha zareo zany no masaka an. Ela nikarakarana sy niketrehana azy dia ireo aloha no nahandro vita 😅.
Matetika ireo daholo no olana be notantarainareo rehefa miresaka amiko nareo dia indreo ny vahaolana ( volo tsy mety maniry, vasoka, tapatapaka, vakivaky sy maina be )
Tena tamin'ny fo feno fitiavana be no nanaovana azy ireo. Dia mino aho fa hahazo vokatra tsara ianareo mpanjifa.
Miezaka be manome ny tsara indrindra foana foana ❤️
Rary soa bee dia miandry anareo aho izany 😅😘
03/02/2024
Notsindriko manokana tanatin'ity shampoing iray ity ny hoe "Anti-pelliculaire" 🙂 fa maro be koa ny soa entin'ny romarin ho an'ny volo. Raha manao fikarohana kely ato amin'ny tambazotra fotsiny nareo dia misy mampiasa ho anti-chutte ihany koa izy. Ny antony???
‼️ fantaro aloha fa matoa ny volo miongotra dia marary izay ny fotony ( hodidoha maratra noho ny angadrano kikisana, sns...) hazavaiko foana io ho an'izay nangataka soins sy nanao achat taty amiko 😉
✓ anti-septique ny romarin.
⏭️Manala angadrano izy izany.
⏭️ Manampy sady mandanjalanja amin'ny famokarana Sébum ( menaka natoraly vokarin'ny volo)
⏭️ Misoroka amin'ny fisian'ny volo fotsy aloha loatra ( misoroka hoy aho fa tsy hoe efa misy volofotsy ianao dia hivadika mainty handoko azy indray sao hisy handika vilana dia hitany hoe Ambinintsoa mandainga 😂).
⏭️ Manome aina ny volo izy sady mampangirana ihany koa 😉
8 000ar ihany koa izy ho amin'ity herinandro ity aloha fa rehefa tapitra izay dia 10 000ar amin'izay 😅😘😘
poids 90g foana foana 😋
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
110
Opening Hours
| Monday | 09:00 - 17:00 |
| Tuesday | 09:00 - 17:00 |
| Wednesday | 09:00 - 17:00 |
| Thursday | 09:00 - 17:00 |
| Friday | 09:00 - 17:00 |
| Saturday | 09:00 - 17:00 |
