Super Fan AGRAD
Super fan Agrad ofisialy
01/03/2025
Artiste: AGRAD
Titre: "Diovy"
Lien Youtube:
AGRAD - DIOVY ( Officiel vidéo 4K ) Diovy , nouveau single d ' Agrad , Realisé par WELL DONE
Parole Agrad story
Ny farimpiainako efa kobonao hatrany ampiandohana.
Fa anaty ny haizinkitroka aho no miandrandra fahazavana.
Tsy manana antenaina fa isan'andro miady mafy .
Ho toy ny renin-tantely hamela mamy hoan ny zafiafy.
Ka andao raha vono-kiafy ,isika hamaky lalan-tsarotra .
Tsy ho lohataona lava fa indraindray mba andro maloka .
Raha ho avy ny andro ,tsika ho somparan'ny elanelana .
Homenao olo-kafa ve sa hiandry anah ilay toerana ?
Raha hisy hanondro molotra aho ka voarohirohy
Moa ve tapitra hatreo ny antsika sa mbola hitohy ?
Hanati-bary ianao sa hamela anah tsy hanjary ?
Sa hampionon-tena fa hoe izay tokoa ilay tsy anjara ?
Kofboay ny tena mety ho dizina indraindray
Mety hiteniteny maloto ,mety hanao kozy masay .
Hoentikenti-po hanao fihetsika tsy voahevitra .
Tsy maniry loza ,fa vonona ve ianao ny handefitra ?
Refrain ????????
Tsy izay tianao ho heno ,no ambarako anio
Fa ny fihetsiko milaza ny ampoko madio
Ka fafao ,fafao , fafao
Ny ahiahy mampahory anao .
Raha ho avy ny andro ho foana tsisy ny eto ampelantanako
Ho tampina tsisy hirika izay lalana andehanako .
Moa ianao ve mbola ho liana ?mbola hiantso ahy hoe tiana?
Sa ho ataonao toy ny fary aho ,rehefa matsatso ariana ?
Raha sanatria ho lavo aho,ka mety hanana kilema
Moa ianao ve mbola ho eo ,sa hivadi-panekena ?
Azoko antenaina ve avy rehetrarehetra ?
Sa rehefa mandeha ny fotoana ,hiova fo,dia hiova toetra ?
Lakalaka ny eto antany ,ny ambony mety ho ambany .
Raha hankahala ahy ny manodidina ,ianao ve mba hiandany ?
Sa anisan'ireo hikozy hoe Aleo hinana ny fatiny any ?
Hitahiry ny ratsy vitako omaly sy afakomaly .
Tsy izany mantsy hoy aho,fa maro ireo ny lokaloka.
Tsy naharitra aman-taona akory dia efa nandamoka .
Tsy maharay lamba vao mihita akanga tsaratsara .
Nanadino ny voady natao teny .
Refrain ...
Bridge :
Za tsy ho leo o , na hisy fitsapana miseho o ????????
Za tsy ho leo o , na hoavy ny andro ratsy ,za ho eo o ????
Refrain ...
--------
Départ Zéro (Agrad)
Ahitsio
Départ zéro
Tsy miandry manana super Héro
Isan'andro mampiasa Coco
Fanantenana no atao à gogo
×2
Ny Blem tsy hitsoahana fa atrehana
Tanjona fa tsy olona no enjehana
Mama!!
Omeo tso-drano zah ataoko tehana
Fa lavitra ny Combat mbola atrehana
Fara-vodilanitra miloko menamena
Raha tsy misy ny ady tsy misy koa ny fandresena
Ny Kofboay aza fefenareo ny tsy hana tena
Fa ho ataonay nge ty oa
Na tsy hinanan-kena
Atrany ampiandohana,
Lalana malama tsy azo hialana
Fa angalana lesona otrin'ny adalana
Tsisy fahagagana
Miaritra Dia aveo n'y amboara oentina manao classe mandry any an-tanàna
Fahosana, fahotana, dia tsy tana fa
Eny ambonin'ny Insta no mitondra fahazavana
Ho an'ny bandy miharitra miandrandra fihovana
Tsy mahay mihatsaravelatsihy dia tsy maro be ny akama
Tsy samartana, fa boto misy fanahy
Boto misy fo, hanaitra ny ambom-pon'izay rendremana hifoha
Avy dia manaikitra fa tsy mivoavoa
Dia izay atao rehetra ampisainana avokoa
N'y aty oa départ zéro
Tsy miandry izay super Héro
Isan'andro mampiasa Coco
Fanantenana no atao à gogo
×2
Départ zéro, départ zéro
Miala ghetto,
Indray andro ny bandy mbola Ho patron
×2
Tsotra fa tsy kotonandra
Mahatoky tena be tsy Tia mitavandra
Aleo hisy oram-baratra sy avandra
Fa raha tsy izay io lanitra io oa tsy Ho manga
Tsy olo-manga le mikozy Lose! Manakihana
Fa ny horloge miodina tsy miandry io na pihana
Sady tsy any an-tsehatra no tsy any anaty lose
Ny ambom-pon'izay mba miezaka isan'andro izao kitihana
Aleo aloha oa tsipihana, tohatra vao rihana
Misy dikany Aho matoa anaty fisarihana
mpitarika fa tsy tarihana
Indray andro mbola Ho tafa na matetika angarihana
Mandroso na tsy kobo ny amaray
Tsy lany andro manenina miteny
hoe tahak'izay
Tsy talentako izay, miharitra dress
Miharitra kobay, satria zah Kofboay
Alohan'ny hiongotra,
Mila mamela dia-tongotra
Io tsy andrasana hatomotra fa dien'izao dia hatomboka
Miasa ampahanginana fa aleo ny vavako hakomboko
Ny vavako akimbo ko
N'y aty oa départ zéro
Tsy miandry izay super Héro
Isan'andro mampiasa Coco
Fanantenana no atao à gogo
×2
Départ zéro, départ zéro ( nanan..!)
Miala ghetto,
Indray andro ny bandy mbola Ho patron
×2
--------
Diso (ft Roy Rakoto) (Agrad)
Ahitsio
Ela nanafenana aho fa tratra ihany
Niseho azy ny ho lehilahy fa kay
Ny vehivavy mampitomany
Impiry aho no nampirafy
Impiry aho no naditra
Fa mpamosavy mandeha alina aza
Ange misy mahita
Noheveriko hoe mahasolo anazy ilay
Hitako eny an-dalana
Kay toa vonjy maika ihany
Fakam-panahy mba nitsivalana
Izy ilay mandefitra na manana ny rariny
Niharitra ny fofo-toaka, ny toetra ratsiko sy ny tariny
Tsy afeniko fa misy fotoana mandratra ny teniko
Fa tia izy dia mihafy, miharitra hatramin'ny fimenomenoko
Namitaka ahy ny saiko sa mihevi-tena f'efa ho leo
Fa izay ho azon'ny fo vato
Tsy mba nihaino azy nitoreo
Raha fantatro efa ho may ny trano
Navoakako ihany ny entana
Fa nenina tsy ao aloha fa
Aorianan'ny fahafinaretana
Izao izy dify fa leo ny mitampify
Satria ny fitia nomeko azy
Tsy mba natevina fa nanify
Ka androany aho
Handeha ho any aho
Hibaboka fa diso
Satria tsy lafatra
Dia hahita anao
Hitantana anao
Feo mitalaho
Mba voahy aho
Mba voahy aho
Mafy loatra ny niainananao
Tsapako izany
Tsy zakako raha zah, saingy aleo zany ho any
Tsy hoe moramoraiko,
Fa raha zany no hotanisaina
Marary ny aina, ary mety ho adala hatramin'ny saina
Ny dahalo aza mahay niova fo
Dia sanatria ve zah tsy hahay an'izany koa
Zah manaiky hoe diso tia tena
Tsy misaina am-piheverana
Fa sodokan'ilay teny hoe:
"Sipa be fandeferana"
Eto alohan'ny fitaratra aho zao no miteny irery
Misentosento manganohano
Mitady ny very
Manenina mafy nefa toa tsy haiko izay atao
Te ho any aho nefa manahy fa sao tsy horaisinao
Tsy mendrika anao aho
Nefa tsoriko fa tsy vitako
Ny hahita anao handalo
Hifampisakambina amin'ny lehilahy
Fa ataovy ohatran'ny zezika ireny hadalako ireny
Rehefa tondrahan'ny tso-drano
Fitia mandrakizay no omeny
Ka androany aho
Handeha ho any aho
Hibaboka fa diso
Satria tsy lafatra
Dia hahita anao
Hitantana anao
Feo mitalaho
Mba voahy aho
Mba voahy aho
Voajanahary fa tsy sanatria ka hoe tsy anjely
Hoe na izaho na ianao iny
Malalako tsy anjely
Ny fo rano mafana, rehefa mangatsiaka
Mba tsidiho re ny tanàna
Aza any ankoatra no tamana.
Fa zah lay sasa-miandry
Asa avela hiandry vasoka
Miantsoantso ny anaranao
Ny feoko aza mila hikasoka
Haiko hoe "aleo tsy misy toy izay manan-dratsy"
Ao fa hiova aho, tsy hamerina intsony an'ireo tsy satry
Ka androany aho
Handeha ho any aho
Hibaboka fa diso
Satria tsy lafatra
Dia hahita anao
Hitantana anao
Feo mitalaho
Mba voahy aho
Mba voahy aho
--------
Hafatra (Agrad)
Ahitsio
eeh...
Raha kelikely mokon-doha ah efa ela no tsy ni-
Rap.
Misy fotoana maradratra fa mody atao hoe
permanganate.
Mitsangana satria coupén lah
Ze mibahana ny lalako mélà.
Clip vao2 mira vola vao2, ts elah mints ny
amelon ah.
Mikaly nenay de mikapa, mamoaka de mila
mampiditra.
Zay mila misy daty @ paka, elah @ tany no
mihinjitra.
Aleo kikisan'ny cardiaque.
Ny hatsembohana latsaka sarobidy.
Mendrika vidina kaly dia haka.
Toerako tsy azon'ny tardiaque
Zay tsy miraty devant but fa io tsy miverina im-polo o.
Fiainana tsin tsy DJ ka ho azoko asiana hoe pull up.
Mikiry biby zay de mihidy vazana, sarin-diky nefa soldat.
Reveko ny combat refa miha-mazana.
Zay mintsy
Ref:
(TAZOMY TSARA ZAH FA SAO DIA VOTSOTRA.
NA MIJOALAJOALA BE AZA NY TRANO MIANJERA
VAO RATSY FOTOTRA.
ZAH MANAIKY WE MANDE PAR TOUR.
MATOA NY BANDY MBOLA ETO FOANA TSY
ZAKAN LAH WA NY PARCOURS.)x2
Alohan'ny hikiana anah elah wa mijereva fitaratra.
Ovay le olona itan lah eo refa elah no miharatra.
Tsy elah no hampianatra hitazon'antsy ny mpivaro-kena.
Zay sy ny ambohitsorohitra no mitovy sam faritra mena.
An'ny gasy ny Rap fa tsy an'ny be kintana aleo mody ekena.
Fa ny ordonnance milaza an'izany mb'avoahy hoe jerena.
Tsy we ze mahakobo an'i 2PAC.
De midika ko zay fa mahakobo rap,
ze dentifrice retra2 de wantsoin lah foana we colgate.
Bobaka ny kôpy théorie, maro koa ny mahay miakanjo ô.
Fa vitsy dia vitsy ny favori, ny ankamaroany totom-boanjo.
Averimberiko isan'andro ô, fa ny ahy itony tsis tatàn-jaza.
Zay mihevitra ahy tsy mahay mi-Rap tsun
MPAMINANY SANDOKA IS TATANDRAZA.
Ref:
(TAZOMY TSARA ZAH FA SAO DIA VOTSOTRA.
NA MIJOALAJOALA BE AZA NY TRANO MIANJERA
VAO RATSY FOTOTRA.
ZAH MANAIKY WE MANDE PAR TOUR.
MATOA NY BANDY MBOLA ETO FOANA TSY
ZAKAN LAH WA NY PARCOURS)x2
[Tsy mila bisous zay na calin, fa vao maika reveko ny ankahalainy.
Tora-baton lisan atr@ zay nahatsanganako mur n Berlin.
Norme rah ts mfernain, fahombiazako tsin ts fantatro zany.
Rah tsis an lah eo mi nain nain!!!] 2×
Ref:
(TAZOMY TSARA ZAH FA SAO DIA VOTSOTRA.
NA MIJOALAJOALA BE AZA NY TRANO MIANJERA
VAO RATSY FOTOTRA.
ZAH MANAIKY WE MANDE PAR TOUR.
MATOA NY BANDY MBOLA ETO FOANA TSY
ZAKAN LAH WA NY PARCOURS) x2
--------
Jiolahim-boto mitomany (Agrad)
Ahitsio
Raha misy ny olon-kendry
Zah mendrika atao ohatra
Fakam-panahy impiry no mikendry
Zah miezaka nanohitra
Ny fahatsoram-poko mihitsy
No ninianao nararaotina
Fitaka ilay fitsikinao
Ilay fihetsikao izay mody maotina
Raha firavaka ny fitia
Omeko anao ny volamena
Tia anao tamin'ny fo madio aho
Tsy mba nijery kilema
Nefa tsy nasianao dikany
Ianao sodoka tamin'ny volany
Ny fiakanjony sy ny bikany
Nefa tsy hainao akory ny dintany
Fa.... malahelo anao
Fa tsy hay ny atao
Mbola ho tsaroanao indray andro any
Hoe zah navelanao hitomany
No mety aminao fa tsy izy
No mety aminao fa tsy izy
Mbola ho tsapanao
Mbola ho tsapanao
Fa mamy koa ny akondro
Fa voninahitra ho an'ny tantely
Taminao ny foko no nitodika
Fa ny tsara tsy anao irery
Mirary soa aho
Iriako ho tokantrano lafatra
Raha mifanohitra amin'izay
Dia izao ny ahy no mba hafatra
Hoe gorodona ve ny somisika
Amin'izay ianao no migorisa
Tsy tiana akory fa misisika
Anjaranao ny sisa
Adinonao hoe ny tsara tsy lany
Fa ny tena tsara dia
Ny manaja ny eo an-tanana ihany
Malahelo anao
Fa tsy hay ny atao
Mbola ho tsaroanao indray andro any
Hoe zah navelanao hitomany
No mety aminao fa tsy izy
No mety aminao fa tsy izy
Mbola ho tsapanao
Mbola ho tsapanao
Ianao androany ange ilainy
Satria mbola matsiro
Fa rahampitso voan'ilay hoe
Ity koa tsisy tsiro
Dia amin'izay vao hahatadidy
Hoe any izay ilay olona
Nampitondrako mangidy
Fa tsisy bandy ratsy izany akia
Fa ianao no diso safidy
Zah ilay tsy manan-tsiny
Nampahorianao tanteraka
Mitomany mahatsiaro ny fahiny
Toy ny zaza vao teraka
Fa tsarovy
Fa mbola ho tsapanao indray andro
Hoe ny fitiavanay tsy mitovy
Ny ahy lamban'akoho
Ny azy ohatra ny akanjo
Izay tonta dia soloina
Fa tia miampitampita ianao
Ka tsy maintsy ho voadona
Fa zah tsy any intsony
Raha toa ka ho avy ny andro
Ianao handondona hifona
Fa mbola ho tsaroanao indray andro any
Hoe zah navelanao hitomany
No mety aminao fa tsy izy
Mbola ho tsapanao
Mbola ho tsapanao
--------
Ofisialy (Agrad)
Ahitsio
Izay sipa ankoatra anao omeko numero fosika
Fa ny anao irery no andefasako S eny amin'ny kioska
Boo, ndri le joba gisa mainty
Aminao zah clean tsy mampiasa fainte fainte
Madio mangarahara toy ny ranon'ny Pangalana
Love rehetra omeko anao tsisy bangana.
Ndri le sahiko tantanana fa tsy sahiko tatahina
Fato-maty ny antsika, tsy azon'iza tapahina
Nofisiko matetika rehefa eny am-patoriana
Iondanako be na dia tsy be be poitrine
Vao taninkeo aho zao no nihaino Faratina Church
Hoe ny fakam-panahy tsy ilaina toy ny faharatsiana eritreritra
Tokako iny tsy ananako anakiroa
Norma aho raha saro-piaro loatra mitovy amin'i Dadju
Aza h enoina izay mikozy hoe iny mec iny nofa
Tsy mbola film ny kobony e, fa making off.
Ref:
Andao tohizana fa mamy
Indrindra rehefa ianao no mamihina ahy
You, hafa ihany
Mampanonofy mampanidina.
Andao tohizana fa mamy
Indrindra rehefa ianao no mamihina ahy
You, hafa ihany
Mampanonofy mampanidina.
Tsy CDD ny contrat fa CDI
Dia nanoratako hira anaty CD ndri
Ilay bandy genagena lasa mahay migenagena
Lasa nirevy fahendrena raha taloha tia hagegena
Ilay vava veno ompa lasa feno teny mamy
Ny lakilen'ny foko mihitsy no efa nateliny any
Tiako loatra, tsisy hoe mandrapahoviana
Dia ny sera nofa rehetra rehetra mandrapaha ovaina.
Ny antsika afomololo baby, tsy mba ho mora levona.
Fiainana raha mafy tairo fa anaovana angaredona.
Fa iza io no tsy ho resy fa isika complices
Partenaire-ko ianao any anaty business.
Ny tiako noho ianao tsy misy, ianao no ofisialy
Life-ntsika iriko feno drala fa tsy ho feno jaly.
Lalantsika roa tsy hisampana otran'ny bakam-pilesy
Fa ho maro mpaniry ohatran'ny hoe bacc plus.
Ref:
Andao tohizana fa mamy
Indrindra rehefa ianao no mamihina ahy
You, hafa ihany
Mampanonofy mampanidina.
Andao tohizana fa mamy
Indrindra rehefa ianao no mamihina ahy
You, hafa ihany
Mampanonofy mampanidina.
Aminah ianao ofisialy
Ooo ofisialy
Tsisy tiako mihoatra anao zany
(tsisy ilaiko, tsisy ilaiko)
Ooo, mihoatra anao zany
Ref:
Andao tohizana fa mamy
Indrindra rehefa ianao no mamihina ahy
You, hafa ihany
Mampanonofy mampanidina.
Andao tohizana fa mamy
Indrindra rehefa ianao no mamihina ahy
You, hafa ihany
Mampanonofy mampanidina.
Andao tohizana fa mamy
Indrindra rehefa ianao no mamihina ahy
You, hafa ihany
Mampanonofy mampanidina.
Andao tohizana fa mamy
Indrindra rehefa ianao no mamihina ahy
You, hafa ihany
Mampanonofy mampanidina.
--------
Tohin'ny aiko (Agrad)
Ahitsio
Famaritako ny fitiavana sy fahasambarana
Ilay mahita tsikinao mitsena eny ambaravarana
M'badabada
Miantsoantso hoe DADA! DADA!
Ilay saika efa aman-taona,
Heverinao hoe zazazaza
Mivezivezy aho,
Teo amin'ny lalantsaran'ny hopitaly
Tsy mahatombon-tsiraka,
Nanontany hoe aiza ihany
Dia injay ianao fa tamy
Nivatsy hery ho ahy
Tovozina tsy mety lany fa mamy
Ataoko an-kira izy androany,
Na ho hendry na ho adala
Aminao foko zanako,
tsy mba mahay mankahala
Nitady vatosoa Aho,
Fa toa nahazo diamondra
Ny ampahory tsy hiriko
na dia iray segondra monja
Fa indray andro ianao ho reny,
hahatsapa sady hahazo
hoe Zaza refa tiana tsy hitsitsina rotsankazo
Nofihininao ny tanako, ranomasoko tsy tanako
Ntsôoo, avia trotroiko izany zanako
Dia ho lavitra anao ny alon-drano oh!
Hanakaiky anao ilay fandresena ah!
Ny anan-dRay aman-dDreninao koa tano oh!
Fahaiza-miaina ampio fahendrena an!
Dia ampahatsiahivo dada raha somary varindriana
F'efa leo nilomano tanaty dobom-pahoriana
Lasa ratra tao am-poko ireo lasako taloha
Meloka aho raha mbola ireny no tojo anao fanin-droa
Tsapako ianao te hiangoty ,hiantahanta te hiantsampy
Fa tsy afa-manoatra,ilay fotoana ity toa tsy ampy
Ra-fitadiavana iny tsy mamela mahazo
Tsy hahatsiarovana reraka,
tsy hahatsiarovana tanjona
Nitombo ny taona
miova koa ny laharam-pahamehana
Ny mpanjakaben-tany,
hataon'ny taranako tehana
Nefa na Dia izany aza,aza mihantehatra amin'ny lova
Raha nahefa trano bongo ah!
Nenao Kosa MBA rova
Tany feno fitaka indraindray mampandohalika
Aza adino,ao aoriananao izaho liona manaloka
Hiary sy hanoro anao izay lalana hodiavina
Hanampy anao hahita izay irina sy tadiavina
Dia ho lavitra anao ny alon-drano oh!
Hanakaiky anao ilay fandresena ah!
Ny hana-dRay aman-dReninao koa tano
Fahaiza-miaina ampio fahendrena an!
Dia hohiraiko satria ianao ilay tohin'ny aiko
Ataoko an-kira dia hiraiko,
Satria ianao sombin'ny aiko
--------
Click here to claim your Sponsored Listing.
