Riantsoa shopping
🥰Pejy ahitanao zavatra marobe 💗
Tsy vente ihany no ho hitanao eto amin'ny pejy fa toro-hevitra maro samihafa 🌿☀
Na maro aza ny tsy tia anao dia tsarovy fa Andriamanitra Tia anao foana ♥
17/06/2025
Maneho ny fiaraha-miory lalina amin’ny fianakaviana sy ny havan’ireo tratry ny fanampozinana ara-tsakafo eto Madagasikara izahay.
Mirary faharetana sy fanasitranana haingana ho an’ireo maratra rehetra.
Mankahery anareo izahay avy amin’ny Riantsoa shopping
Coucou daholo
Mamaly izay tsy miavona 🥰
Bisou 😘😘
02/06/2025
Mazava ho azy e! Amin’ny ririnina dia mihamalefaka sy mora tapaka ny volo noho ny hatsiaka sy ny rivotra maina. Ireto misy astuce mahomby hiarovana ny volonao amin’izao vanim-potoana mangatsiaka izao:
🧴 1. Mampiasa menaka volo (huile capillaire) matetika
Menaka voanio, argan, na olive dia manome hamandoana sy miaro amin’ny fahasimban’ny volo.
Asio kely amin’ny tendrony sy ny tapany ambany isaky ny manasa na alohan’ny hatory.
🧢 2. Manao bonnets na foulard en satin na soie
Tsy mitroka hamandoana toy ny landihazo, ka tsy manamaina na manimba volo.
Mety atao amin’ny alina na rehefa mivoaka ivelany amin’ny hatsiaka.
🚿 3. Manasa volo amin’ny rano mafana kely fotsiny
Rano mafana be = manala tanteraka ny huile naturelle an’ny volo.
Aza manasa volo matetika loatra (2–3 fois/sem).
🧴 4. Masque nourrissant indray mandeha isan-kerinandro
Afaka manamboatra masque maison amin’ny:
Yoghourt naturel + miel + jaune d’œuf (maharitra 30min amin’ny volo).
Aloe vera + huile de coco (ho an’ny volo maina be).
✂️ 5. Manapaka tendrony kely raha sendra miempo
Hialana amin’ny “fourches” sy hiarovana amin’ny fiparitahan’ny fahasimban’ny volo.
💧 6. Misotro rano ampy sy mihinana sakafo manankarena Omega 3
Toy ny trondro, voanjo, sns. Hanampy avy ao anatiny ny fahasalaman’ny volo.
❌ 7. Fadio ny sèche-cheveux sy lisseur be loatra
Raha tena ilaina, dia ampiasao chaleur tiède miaraka amin'ny spray protecteur thermique.
26/05/2025
TSY VOLA FOANA NY FIAINANA
Mety hanana be ianao, fa raha tsy milamina ny ao an-trano sy amin’ny manodidina, zara raha misy lanjany izany rehetra izany.
Aoka tsy ho very anjara ny fitiavana, fifankahazoana, sy ny fiaraha-miaina.
Ny vola dia fitaovana, fa ny olona manodidina no tena harena.
15/05/2025
10/05/2025
"Ireo nofy ireo🌙.. natao ho tanteraka✅. Ary izaho👩🏻 — natao hahatanteraka azy 💗
09/05/2025
“Alina finaritra ho antsika rehetra!”
Aoka ny alina hitondra fitsaharana, hanadio saina, ary hamelombelona fanahy.
Ampitso vaovao, fanombohana vaovao.
Torimaso mamy 🌙✨🛌
05/05/2025
Arahaba Maraina, 👋🏻
Enga anie ity maraina☀ ity hitondra hafaliana😊, fiadanam-po❤ ary hery💪🏻 vaovao ho anao.
✅Atombohy amin’ny fahatokisana🌷 sy fitiavana 🌹izy, dia ho tsara ho azy ny ambiny.🌺
04/05/2025
Ho avy koa ny jeu d'interaction fa mazotoa foana manaraka ny page Riantsoa shopping
asao ny namana fa raha vao feno tsika dia alefatsika eto ilay jeu 😁❤
Zay fa bisou fa bisou be daholo 😘😘😘
Ny fahasoavanao no naha toy izao ahy 🙏🏻❤
Misaotra tompo❤🙏🏻
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Anosy Avaratra
Antananarivo
