Aigle Production

Aigle Production

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Aigle Production, Antananarivo.

👉 Atao hita sy fantatra amin’ny maro ianao 🚀
👉 Eto no hanombohan’ny lazanao 🔥
👉 Izahay no mampiakatra anao ho hitan’olona 🎬

Midira hafatra miafina aviatrany fa hanampy anao izahay,misokatra ho an'ny rehetra ny fiaraha miasa.

Photos from Aigle Production's post 30/09/2026

🛑 𝗡𝗼𝗱𝗶𝗺𝗮𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗻𝗶𝗻'𝗶 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝗻𝘁𝗼 𝗧𝘀𝗼𝘁𝗮

⏩Raha ny vaovao voaray dia nodimandry androany teo amin'ny faha-64 taonany ny renin'ny mpanakanto Tsota.

🕊️Mankahery sy Mirary fihononana feno ho an'ny fianakaviana 🙏.

©Roddy_Jupiter

Photos from Aigle Production's post 10/09/2026

Sombiny amin'ireo trano vao 2k26 mijoalajoala an IMADY
1- Ambohibary Ava (Fahizay)
2- Ambohimbory
3- Mangonahona
4- Andandemy
Ampahany ihany ireo . Tsa mandeha araka ny hangezany io fa filazana ny anaran'ny tanana misy ny trano fotsiny
Mankasitraka 🙂🙏

Photos from Aigle Production's post 06/09/2026

🔴 Ramatoa iray, izay fantatra fa isan’ireo mpanao tromba tao amin’ny Kaominina Vinanivao, Antalaha no nanapa-kevitra ny hiala amin’izany fomba fiainana izany.

🔴 Nilaza izy fa resy lahatra tamin’ny fampianaran’ny Filazantsara ary nanapa-kevitra ny hanolotra ny fiainany ho an’Andriamanitra.

🔴 Ho mariky ny fiovam-pony, nodorany tamin’ny afo tamin’ny 12 Aogositra 2026 ireo fitaovana nampiasainy tamin’ny fanaovana tromba.

🔴 Tsy nifarana teo anefa ny fanapahan-keviny. Tamin’ny 2 Septambra 2026, niara-nandray ny batisa izy mivady, ho fanamafisana ampahibemaso ny fanapahan-keviny hanaraka an’i Jesosy Kristy.

(Marino Rajaonina)

03/09/2026

🎬🇲🇬 INONA NO HEVITRAO MOMBA NY HORONANTSARY “MAIZIM-BOLANA”?

Rehefa avy nijery ianao, inona no tena azonao ambara momba ity horonantsary Malagasy ity? 🎥🇲🇬

🤔 Inona avy ireo zavatra hitanao fa nahafinaritra?

⚠️ Ary inona kosa ireo lesoka na zavatra tokony hatsaraina?

🎬 Raha ianao no mpanamboatra azy, inona no fanatsarana tianao ho hita amin’ny tohiny?

👉 Efa mahafa-po anao ve ny kalitaon’ny horonantsary Malagasy amin’izao, sa mbola betsaka ny zavatra tokony hatsaraina?

🌟 Iza amin’ireo mpilalao no hitanao fa tena nahay nandray ny anjara toerany sy nahafinaritra anao indrindra? Ary nahoana?

🔥 Ary izao no fanontaniana lehibe:

Tianao ve ny mbola hitohizan’ny “MAIZIM-BOLANA”, sa araka ny hevitrao dia aleo faranana eo ihany?

💬 Aza misalasala maneho hevitra. Ny tsikera tsara sy manaja dia afaka manampy amin’ny fanatsarana hatrany ny horonantsary Malagasy. 🇲🇬🎬

👇 Lazao amin’ny commentaire ny hevitrao!

02/09/2026

Isan'ireo mpilalao matihanina sy fototra ao amin'ilay tantara mandeha ao amin'ny novegasy mitondra ny lohanteny hoe maimbolana izireo .

Ahoana ny fahitanao ny sarimihetsika Malagasy ?

Photos from Aigle Production's post 31/08/2026

🥰🇲🇬 HAFANELY : 50 TAONA NIARAHANA, MBOLA MIARA-MIJORO HATRAMIN’IZAO! 💍🏅

Feno 50 taona ny fanambadian’ireto mpivady Malagasy ireto, ka nankalazaina tamin’ny fanambadiana volamena izany. 🎉

Fety makotrokotroka, toy ny mariazy voalohany mihitsy, no natao. Nanatrika izany ireo zanany, zafikely, zafiafy ary ny fianakaviana manontolo. ❤️

🙏🏻 Tao amin’ny fiangonana Anglikana ihany koa izy ireo no nisaotra an’Andriamanitra noho ireo 50 taona niarahana.

💬 Fa inona no tsiambaratelon’ny faharetan’ny tokantranon’izy ireo?

Hoy izy mivady:
👉 “Ny fisian’i Kristy teo anivon’ny ankohonay.” 🙏🏻

🔥 Fa raha ny hevitrao, inona marina no tena antony mahatonga ny tokantrano maro tsy maharitra intsony amin’izao vanim-potoana izao? 🤔 Ny fiovan’ny toe-tsaina ve, ny tsy fahampian’ny fifandeferana, sa noho ny fitiavana mihena?

👇 Ahoana ny hevitrao?

29/08/2026

𝗡É𝗣𝗔𝗟 🇳🇵

🔥 Trano iray nisy fianakaviana no tsy nisy nirodana teo afovoan’ilay tondra-drano lehibe namely ny faritra.

Araka ny tatitra farany hatramin’ny Zoma 28 Aogositra 2026, dia voalaza fa nahafaty olona 547 ity loza voajanahary ity.

🔹 Mbola mitohy hatramin’izao ny fikarohana ataon’ireo mpamonjy voina ireo olona mbola tsy hita, izay heverina fa mety ho tototry ny fotaka sy ireo potipoti-javatra nentin’ny tondra-drano.

😢 Loza lehibe izay mbola mampalahelo sy mampihoron-koditra ny mahazo ireo mponina any an-toerana.

🙏 Mirary hery ho an’ireo fianakaviana rehetra niharam-boina.

---

📌 Araho hatrany ny pejy mba hahazoanao ireo vaovao farany manerana izao tontolo izao.

Photos from Aigle Production's post 29/08/2026

🇲🇬✈️ STK ORIMA FJKM: FIARAMANIDINA MIHITSY NO NANAOVANA NY DIA HO ANY NOSY BE! 🏝️🔥

Tsy dia fahita isan’andro! 😍 Fiaramanidina mihitsy no nandehanan’ny STK ORIMA FJKM ho any Nosy Be, izay toerana anatanterahana ny Fihaonambe STK amin’izao fotoana izao. ✈️🇲🇬

Efa ela no nanomanan’izy ireo ity fotoana ity, ka tanteraka ihany izao ny dia. Fotoana iray hanamafisana ny finoana, ny firaisankina ary ny fihavanana eo anivon’ny STK. 🙏❤️

👏 Rehefa misy fiomanana sy fandaminana tsara, dia afaka manatanteraka zavatra lehibe tokoa ny fikambanana.

💬 Mendrika halain-tahaka ve izao ezaka nataon’ny STK ORIMA izao? 👇😊

Photos from Aigle Production's post 29/08/2026

Kambana mirahavavy,tena tsy misy hanavahana azy roavavy ireto.

Misainaa Rhr

Photos from Aigle Production's post 28/08/2026

💢 𝗦𝗔𝗞𝗔𝗜𝗭𝗔𝗡’𝗜 𝗞𝗢𝗛𝗘𝗡 𝗥𝗜𝗩𝗢𝗟𝗔𝗟𝗔 𝗔𝗙𝗔𝗞𝗔 𝗕𝗔𝗖𝗖 💢

Nilaza tao amin’ny pejiny i Kohen:

🥰 **« FÉLICITATION CHÉRIE Ô 🥰
AFAKA BACC ENAO RA-CHEF Ô !!! 👏🎓

Tsara ny ezaka ary mbola ho lavitra ny lalana e! 💪
Tsy maintsy mandroso isika e! 🚀

Ireo mpanenjika dia any aoriana, fa izay maharitra no vadin’andriana, hoy ny Ntaolo e… ❤️🇲🇬 »**

🎓👏 Arahabaina noho ny fahombiazana tamin’ny BACC! Mirary fahombiazana hatrany amin’ny dingana manaraka.

Website

Address


Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aigle Production posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Subscribe

We will notify you when anything happens in Antananarivo.