RaSoa Cosmetics
Production et vente de produits cosmétiques
21/09/2026
Te hanalava hoho ... ?
Adinodinontsika ity vokatra iray ity kanefa tena ilaina raha sady te hanalava hoho no hanamafy azy. Mampalefaka ireo hoditra kely manodidina koa izy io.
Toy izao ny fampiasa azy :
=> Osorana an'ity Huile kely ity ny hoho tsirairay (hoho tsy misy vernis) sy ny manodidina azy. Atao massage kely izy ireo.
=> Vita izay dia lomana kely rano matimaty ny hoho (raha manana fotoana). Raha tsy manam-potoana moa dia avela eo fotsiny.
=> Atao isan'andro izay.
Sady mihamafy ny hoho no mihalava 🙂
7 000Ar monja ny iray.
Mirary herinandro mahafinaritra ô
18/09/2026
Azo sasana fotsiny anie ny volo dia mandina sady milamina e 🙂
Mila mahavatra tsara fotsiny isika @ fikarakarana azy. Sady salama ny volo no tsy mila manao volo intsony ...
Mirary Vendredi joli ho antsika rehetra ô !
16/09/2026
Efa miandry anareo aty @ ESSAgro izahay an ! Tongava maro fa betsaka ny zava-misy azo jerena sy vidiana aty ;) Androany sy rahampitso mbola ato foana izahay.
14/09/2026
Tonga indray ny fotoana hiaonantsika eny @ 𝗦𝗔𝗟𝗢𝗡 𝗱𝗲 𝗟'𝗔𝗚𝗥𝗢𝗡𝗢𝗠𝗜𝗘 Ankatso ô ! Manomboka 𝟏𝟓 𝐡𝐚𝐭𝐫@ 𝟏𝟕 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐞𝐦𝐛𝐫𝐞 izao (manomboka rahampitso zany an).
Mahafinaritra kely ny Salon @ ity taona ity fa tongava maro ! Hiezaka hitondra zava-baovao ho anareo koa izahay fa tongava maro ... sady @ vidiny mirary foana !
Misy fitaterana maimaim-poana mitondra anareo ety @ AGRO fa aza matahotra. Rehefa tonga eo Ankatso dia afaka mandeha @ io fitaterana io.
'Zay fa rahampitso mihaona ô !
27/08/2026
Maromaro isika no nividy 𝗚𝗔𝗠𝗠𝗘 𝗖𝗢𝗠𝗣𝗟𝗘𝗧𝗘 (Marula na Moringa) ho an'ny tarehy tatoato ... Mankasitraka foana mahatoky anay 💗
Fa izao, raha manana fahafahana dia asainay ianareo hanao 𝗦𝗢𝗜𝗡 𝗖𝗢𝗠𝗣𝗟𝗘𝗧 𝗱𝘂 𝘃𝗶𝘀𝗮𝗴𝗲 𝘪𝘴𝘢-𝘵𝘢𝘱𝘢𝘣𝘰𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘢 𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢𝘯𝘢 ety @ salon. Izay Soin complet izay no hanadiovantsika ny masonkoditra sy manamafy ireo fikarakarana atao any an-trano. @ izay koa isika afaka mifampiresaka ny @ fiovan'ny tarehy sy ny fivoarany e ... Sa ahoana hoy ianareo ?!
Afaka maka RDV ao @ page FDFSoins isika na tonga dia mandalo tsotr'izao :)
Mandram-pihaona daholo ^_^
034 03 887 28
032 02 268 65
19/08/2026
𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗟𝗔𝗠𝗔 & 𝗩𝗢𝗔𝗞𝗔𝗥𝗔𝗞𝗔𝗥𝗔
Aza adino mihitsy ny mikarakara ny tanana isan’andro !
Ireto avy ny asan'ireo Crèmes mains RaSoa Cosmetics :
🌿 Mahamandina sy manalefaka
🌿 Manala tsikelikely ny ketrona
🌿 Manazava hoditra
Ny tananao koa mendrika fikarakarana anie e !
𝙈𝙞𝙧𝙖𝙧𝙮 𝙨𝙤𝙖 ho antsika rehetra indray ô
12/08/2026
𝐌𝐀𝐒𝐐𝐔𝐄 𝐂𝐀𝐏𝐈𝐋𝐋𝐀𝐈𝐑𝐄 na 𝐌𝐀𝐒𝐐𝐔𝐄 𝐕𝐎𝐋𝐎 hoy isika ! 💆🏽♀️
Maro amintsika izao no any am-pialantsasatra any izao. 🌴☀️
Any e ? Misy any amoron-dranomasina, misy any ambanivohitra, misy lasa lavitra kokoa... 🏖️🌿
Fa izao, matetika miova kely ny toetr'andro any @ ilay toerana aleha... miova manaraka an'izay koa ny toe-bolo! 💇🏽♀️
👉🏽 Aza adino mihitsy ny manao MASQUE kely isaky ny manasa loha e, indrindra isika izay any amorontsiraka ! 🌊💦
𝟑 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐁𝐄 NY 𝐀𝐒𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐒𝐐𝐔𝐄 𝐂𝐀𝐏𝐈𝐋𝐋𝐀𝐈𝐑𝐄 :
✨ Manatsara ny tahom-bolo simba
✨ Miaro azy @ fiovan'ny toetr'andro
✨ Mampalefaka sy mampangirana ny volo
𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐊𝐀𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝟑 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐒𝐐𝐔𝐄 𝐂𝐀𝐏𝐈𝐋𝐋𝐀𝐈𝐑𝐄 𝐑𝐚𝐒𝐨𝐚 𝐂𝐨𝐬𝐦𝐞𝐭𝐢𝐜𝐬 :
🥑 Masque Cire Avocat
Ho an'ireo volo olioly (bouclés) na ireo volo tsy mety mandina mihitsy.
🥥 Masque Coco Choco
Ho an'ireo volo simba na maina.
🌱 Masque Ricin Jojoba
Ho an'ireo te hampaniry volo, sady manampy hampangirana ny volo ihany koa.
💬 Misy fanontaniana fanampiny ?
Aza misalasala mihitsy manontany anay an ! 😊
🏖️💕 BONNES VACANCES DAHOLO Ô !
Ary aza adino ny mikarakara ny volonareo na aiza na aiza aleha ! 🌴✨
fans
11/08/2026
𝗔𝗭𝗔 𝗔𝗗𝗜𝗡𝗢 𝗡𝗬 𝗗𝗘𝗢𝗗𝗢𝗥𝗔𝗡𝗧 rehefa avy mandro ô ! 🧴
🌸 Madio ianao fa … fa aza adino ny déodorant :) ! 🌸
Ireto avy ny karazany misy ato aminay :
- Déodorant Frais
- Déodorant Floral
- Déodorant Exquis
- Déodorant Gourmand
Mitana tsara 24 ora daholo !
fans
05/08/2026
Anisan'ny vokatra tena TSARA ity GOMMAGE AU CAFÉ ity !
'Ndao jerentsika avy ny asany :
- mampalama ny hoditra
- mahamandina satria misy menaka voanio
- manampy manala taches tsikelikely
- miaro ny hoditra tsy ho mora antitra
- manampy manala "cellulites"
Raha manana fahafahana isika dia manampy LAIT VELOUTÉ COCO CHOCO ampiarahina aminy. Mandina sy malama ary madio vetivety ny vatana.
Ar 15 000, 150ml
Category
Telephone
Website
Address
Ambatonakanga
Antananarivo
101
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when RaSoa Cosmetics posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.
